4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mety milaza - Olombelo Ricky

TSY METY MILAZA ( olombelo ricky)

Tsy mety milaza ve ny omaly e
Fa sary manjavona ka tomany e, tomany e
Tsy mety mifoha ve sa tsy mahare
Nefa toa tetsy ambadika ihany e,ihany e

Rehefa maty iny masoandro iny
Dia mahatsiaro an'azy foana ianao(2)

Nindrana an'iny lanitra iny foana anie aho e
Sy ireo voro-kely tonga hihira maraina ho anao e
Hihira maraina ho anao e
Tsy mety nilaza anefa izy omaly e
Fa lasa nanjavona dia tomanye tomany e

Ho anao, ho anao ny anao
Raha toa mbola hijoro ho fahavaloko e (2)

Ho anao ny anao(4)
Nefa izaho tsy fahavalonao(2)

Izay nomeko anao izay ampitiavana anie
Izay nameko anao izay ampitiavana be
Nefa ianao tsy mety milaza fa hoe(2)
Mbola misy fitiavana indray mitete!(4)

Partager tsy mety milaza

Commenter tsy mety milaza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Olombelo Ricky