4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lolona sy fanja - Perle sy Gabhy

Lolona sy Fanja



Raha tonga ilay dimby izay nandrasanao

Inona moa no mahavaka anao

Maro ny anaran’izay malagasy

Azo hifantenana ka atolotr’azy.



Tsy ho tanisaina ny anara-fandre

Ireo tsy faheno mbola be dia be

Ny voninkazo no handeha hangalana

Sationa roa izay tsy azo ialana



Ny vololon’ny akondro

No handeha hiontazana

Sy vony fanja maintso mamy

No handeha hiantsapazana



Raha mamontsina ny akondro

Izay no atao hoe mamololona

Azonao tapahina io

Ka fintinina ho lolona



Raha mamelana ny paiso

Ka mamoaka vony fanja

Azonao laingosana io

Ka fohizina ho fanja



Iza re no tsy ho tia

Ireto anarana an-kiroa

Tena anaran-jazavavy

Soa sy mendrika toa



Etsy ange ho antsoina kely

Ireo anara-notsongaina

Mba ho mora handraisana azy

Raha tonga soa ilay sominaina



Lolona ô, Fanja ô

Anara-malagasy mihaja

Anara-malagasy mihaja

Fanja ô, Lolona ô

Kanto izany anaran’olona



Perle sy Gaby

Partager lolona sy fanja

Commenter lolona sy fanja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Perle sy Gabhy