4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zovy moa izato ianao - Perle sy Gabhy

(duo lahy sy vavy)



Zovy moa izato ianao miseho mahalala ny ato am-poko

nefa izao no lazaiko na fifaliana na toloko

no mameno itony saiko, sy mitoetra anatiko ao

tsy natao hisy hahalala, tombatombana ny anao

     (miverina in-2)



      Ny fahalalàna ny ato am-poko, zava-tsarotra ho anao

      Ny hahafantaranao izany, mbola ho ela fa tsy izao

      Ankehitriny aloha dia izaho, eny izaho samirery

      no mahalala ny ao anatiko ao tena mbola zava-miery



Tsy ny tombatombanao sy ny hevitrao mangina

no ahafahanao milaza sy hahatonga higina

Tsy ny sofinao mandre na ny masonao mijery

no hahalaza ny ao anaty, tena mbola zava-miery

Partager zovy moa izato ianao

Commenter zovy moa izato ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Perle sy Gabhy