Verse 1: Toa lanitra manjombona
Toa orana mikotroka
No hita amin’ny fiainako
Tsy misy hazavana intsony
Ny aizina toa mampahory
Fa mila Anao aho
Prechorus: Oh oh hazavao aho
Chorus: Fahazavana
Masoandro miposaka ho ahy
Verse 2: Ny masoko mijery Anao
Hitodika aho ho any Aminao
Ireo nantenaiko tsisy hita izao
Hiondrika aho hanantona
Handohalika Aminao Ray
Ny fiainako ô, mba hazavao
Bridge: Ny fahazavanao no hery
Mihazona ahy tsy ho very
Ny fahazavanao dia ampy
Mpanavotra ahy Ianao
A/C : Mialy Ratefiarison