4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Namana - R. Mialy

Tamin’izay andro izay
Dia nitanondrika aho
Nitanondrika aho fa irery
Nitanondrika aho fa very
Tsy nisy olona nijery aho
Nirenireny teny aho, irery aho

Refrain : Dia iny Ianao fa tonga nampitraka ahy
Iny Ianao fa tonga nampahery ahy
Nilaza tamiko fa eo Ianao Jesoa
Iny Ianao fa tonga mba hamonjy ahy
Iny Ianao fa tonga mba hamafa ny ranomasoko

Teo amin’ilay famoizam-po
No tonga Ianao Jesoa
Dia natsotranao ny tananao mba ho fanomjena ahy
Ny fotoanako rehetra very tsy nahitako Anao
Hay Jesoa akaiky ombieny ombieny
Tsy mandao ahy Ianao

Pont : Ianao Jesoa ilay tsy nandao ahy
Tamin’ny ady saotra, olana mamay
Tanana ankavanako, ilay namonjy ahy
Ianao no aroko ho mandrakizay

Izy ilay namanao
Izy ilay tia anao
Jeso maty noho ny aminao
Satria Izy tia anao

A/C : Mialy Ratefiarison

Partager namana

Commenter namana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R. Mialy