4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lovako - RAKOTOARISON Onja Lalaina

1. Lovako ny lanitra raha toa ka
Manaiky aho ny ho zandrin'i Jesoa
Paradisa soa no onenako rahatrizay ka miala ety
Ary honina eo anilan'ny Ray be fitia
2. Izay mandray Azy no velona mandrakizay
Ahazo satro-boninahitry ny fiainana
Mila miova fo fa tsy mafy loha, olom-baovao amin'ny fiainana
Ka hitoetra aharitra handova ny lanitra
3. Lovanao koa ny lanitra raha toa ka
Ekenao ny ho zandrin'I Jesoa
Paradisa soa no onenanao rahatrizay ka miala ety
Ary honina eo anilan'ny Ray be fitia
Fiv:
Tsy angano na arira izany voambara
Fa voatahiry raiketin'ny tantara
Teny fiainana voalazan'ny Baiboly
Sakafom-panahy mahavelona
Tsy misy vonjy raha tsy ao Aminy
Fa fiadanana no atolony.

Partager lovako

Commenter lovako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAKOTOARISON Onja Lalaina