4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Adim-piainana - RAVELO JEAN BAPTISTE

Vao maneno akoho io Rangahy  fa miomankomana

aiza indray anio no hahita asa hivelomana

jereo izato maso tena mbola didy

mbola jembijemby misaina ny adidy

mivavaka mangina hahita izay atao

mba hivimbinana ny  iray kilao





Mitebiteby  ery  izany hody maina

ny any an-trano mantsy efa manantena

ireo ankizy kely tsy mahalala ny tsy misy

Noho izy ireo tena mbola ankizy

mifalifaly ery  mijery izato rainy

ka velon-kira hoe iny i dadanay



Fiv:



Zanahary ô ! mba mitahia

ô!  ry razako ô  meteza manampia

omeo hery anio tsy ho resy an’ady

eny mantsy re ny fiainana  ady tena ady (2 fois)







Vao maneno akoho io Rangahy fa miomankomana

aiza indray anio no ahita asa hivelomana....

....

mba hivimbinana ny 1 kilao (3 fois)

Partager adim-piainana

Commenter adim-piainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAVELO JEAN BAPTISTE