4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy anjara - Rixah ft I-mi

TSY ANJARA

Toka-trano ady lava, tomany korotan-dava
Tsisy hafaliana fa ianao mody eo
Izay nalefaka ah…
Fitia mampalahelo, aleo hivalona ho tantara
Ireo vita sy najoro tsy maninona fa avelao ho any
Ireo rehetra natao, fitiavana avy ao am-po
Nefa nataonao kilalao, toy ny tsy misy akory
Ny voady izay najoro, nanjavona tsy misy intsony
Toky maro ireo nomena, lasa fitaka avokoa…

Ka avelao aho alo andeha
Aza azonina intsony
Efa ampy izay rehetra niseho
Izaho koa tsy hitomany akory
Aleo mitady any an-kafa
Toy ny tsy misy ireo taloha
Tsy anilanao, tsy misy anao
Izay ndray no fifaliako izao
Rehefa tsy hety
Dia avalony any
Ny antsika roa tsy anjara , aleo hitoetra ho tantara
Avalony ehhh x3
Efa tofoka ny fo

Efa mankaleo ahy ireo tabatabanao
Isan’andro lav’izao, voateny foana ao
Zavatra mba hilaiko, dia fifaliana
Hampitsiky ilay masoandro, mba ho manraim-baovao
Izao tsy mba fa nihezaka nampiova
Ireo izay tsy nety nataonao, nefa ianao tsy mba nihaino ahy
Asa any aoriana any mety ho tsapanao, ireo teny nataoko anao
Fa tam-pitiavana ireny…eehhhh….

Ka avelao aho alo andeha
Aza azonina intsony
Efa ampy izay rehetra niseho
Izaho koa tsy hitomany akory
Aleo mitady any an-kafa
Toy ny tsy misy ireo taloha

Efa izay no safidinao, hikasa ny hoe handao
Izaho anadino, ireo ratra-po tanilanao
Fa izaho tsy hitana alahelo, fa ho koboniko tsy ambaratelo
Ny foko no mijaly,raha mbola hanantenanao
Mitso-dranonao ahitany soa, mba ho sambatra fa tsy toy ny atsika roa
Samy tsara @ any afara, dia samy ahita izay anjara
Manindry fo fa izay no mety, ampy ahy koa izay vita hatrizay
Fa ianao tsy ho ahyyy….. Ka avelao aho alo andeha …..

Partager tsy anjara

Commenter tsy anjara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rixah ft I-mi