4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hoe tia - Solo

Vao nomena toky dia sahy nivelatra

Kanjo voasoloky ka tapak’elatra

Nanantena arira ka dia potraka

Hoe tia, hoe tia, kinanjo nihoso-potaka



Hay voaisy fefy voafariparitra

Hay moa mora lefy tsy mba naharitra

Na izay tena kantony aza fitaka

Hoe tia, hoe tia, kanefa dia sahy nisintaka



Tsy azo antoka na toa soa aza sandoka

Ny fatafatan-dinam-pitia tsy nisy ny tsy malia

Mora milofika vao voadona dia potika

Fa ny fitiavana tsy mba lo ianao



Ny fahazazana nofy tsy fantatra

Ny hatanorana kanto sy fatratra

Samy misy angola feno avona

Hoe tia hoe tia fa aiza ireo izao ? Nanjavona



Ilay nijihina iny efa nanjoko izao

Ilay tarehy fahiny niketrona fa lao

Reo mpanindrahindra, mpisolelaka

Hoe tia hoe tia kanjo nahafoy fa reraka



lzany no ety, tsy mba misy ny ho doria

Ny bika soa sy laza aman-jo

Hiseram-poana avokoa .

Fa hany tokana

Tsy mba maro fa tokana

Mahay manoro izay tena soa ianao

Partager hoe tia

Commenter hoe tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite