4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manjary - Solo

Tsy laingako Aminao

Fa isan'andro izao

Manjary mihato ny hasin'ny fisainako

Hatrizay nampisy Anao ho isam-piainako



Manjary mihamirana

Ny lanitry ny androko rehetra

Fa ilay fanahiko saiky mijoretra

Vasoky ny sitrany ho tojo ilay mangirana

Indro izao, indro izao

Mihiratry ny tsiky noho Hianao



Manjary tsy mitsahatra

Mamoron-kira foana ny ao anatiko ao

Ary angamba hanjahatra

Ho maina sy hangaina

Raha tsy eo Hianao





Auteur : Haingo  ; compositeur : Harinjaka

Partager manjary

Commenter manjary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite