4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa - Solo

Soa fa nisy ny famoizam-po

Saika nivarinanao

Raha tsy izany fomba ahoana moa

No ho nahitako anao ?

Soa finitak’olontiana ianao

Ka toy ny very fanahy,

Ka izay no nahatonga anao

Tsy hanifikifika ahy.



Fa tsikaritrao ny ratrako

Ka voatohina ny fo,

Na ny ferinao no tsapakao

Fa nanomboka ho lo.



Soa fa ndeha hivaro-tena ianao

Tsy ankifidy izay mpandray

Fa dia tafahaona izaho sy ianao

Ka nitambatra ho iray.



Soa fa nisy Andriamanitra

Antra sy onena koa

Izay nanova ho mahafinaritra

Ny fimalontsika roa

Soa fa nisy Andriamanitra

Antra sy onena koa

Izay nanova ho mahafinaritra

Ny fimalontsika roa

Izay nanova ho mahafinaritra

Ny fimalontsika roa

Partager soa

Commenter soa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite