4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiahy - Solo

Toa fenomanana indray ny andro ety

Tsio-drivotra mitsoka mora

Avy any alavitra

Ka lasalasa tokoa, ny eritreritra fa

Mahatsiaro ireo taloha



Feom-boronkely sisa ré, manako ao

Mikarantsana, milaza fa:

Ity takariva ity

D’efa natokana ho Anao

Tampotampoka teo, toa tsy nampoiziko



Fiverenana:       (in-droa)

Ka ireny kitana manjelatra ahatsiarovako

Ilay teo anilanao

Dia arangaranga ts’isy henatra handrava ny fitia

Vita sy natao



’Zay feon-kirako izay, raHavako

Feon-gitara sy lokangasoa, ary feom-baliha koa

Mba hatsiarovanao ahy, ka hijanona am-po

F’izay no hirantsika roa.



Solo ANDRIANASOLO

Partager tsiahy

Commenter tsiahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite