Mamiko... mamiko
Ilay akany
Tiako... tiako
any ho any
alokalofan'ala maitso
Mahavariana ô!ô!ô!
Tranobongo sy tamboho
haolohaolo
Mba tazano....ô lahy ô!
Lalovan-drano ô roy ô!
Ny vetsom-po,
Indray mifoha
Fenofeno.
Mitanisa
Ka mila ho fanina
Mahatsiaro anao
ry akany
Aoka re fa tsiahy
Ho aminao no hiafarako
Avezivezin'ny adidy
Eto an-tany ô ô ô!
Fa tsy ho adinoko ianao
ry akany.
Tonony sy Feony : Jérôme RANDRIA
1961