Ekeko ry Tompo mahery ;
Ny anjarako izay tendrinao
Safidy ho ahy, kanefa Ianao
No hitantana izao diako izao
Any ho any, mantsy izy izay
Tsy miafina fa hitanao ;
Tiako tsy manan-tsahala
Nefa hiangaviako izay sitrakao !
Ianao irery no mahalala
Izay miafina anatiko ao ;
Tantano ka tsinjovy
'Zao havako mamiko izay !
Inoako Ianao "FITIAVANA"
Fa hanambatra anay ho doria
Ka ny sandrinao manankery
No hitantana anay samy tia !