Hitako eto indray
Ny lanitrao ry Nosy soa
Madio mangamanga,lalovan-drahona
Mamelombelona fanahy
La la...Nilaozako ela be
La la...Ka hitako eto indray
Hitako ,tiako ,ny lanitrao ry Nosy soa
Fitiavana,hirerehavana
Hiantsoko anao Madagasikarako
Na manana ianao,na ory dia izao
Mivelona ho anao no tarigetrako
Ny anaranao,anatiko ao
Hiantsoko anao Madagasikarako
Hitako eto indray
Ny lanitrao ry Nosy soa
Ka hira no vetsoina,ho fifaliana
Mahita indray ny olonao
La la..Voadiko hatry ny ela
La la... Ny hanompo anao ho doria
Tonony sy feony : Jerôme Randria (1960)