4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mamo - ZANDRY jaen-claude

Lasa revy ka tsy tamana Rasipakely

Fa ny lavitra ny tanana ka manirery

Ka ny lanitra no banjinina mampamangy any lavitrany

Ny vahoaka efa mitomany maty mosary

Fa ny mafy ni fiainana ny tsy sy vary



Fa mirongatra ny mpangalatra

Mifamono ary tsy mivavaka

Tondra-drano sy ny havandra

Ny hain-tany sy ny valala

Ireo mpitondra tsy te hahalala



Tsy mamo aho letsy izany

Lasa ny saina mampitomany

Fandalovana ny eto antany



Raindimby no akamanay

Lasany mandrakizay

Ny fahatsiarovana tsa mba very

Ny hiranao mahajerijery



Fa ol-omaty any am-pasana

No handrasanay ve hitsangana

Fa ’nareo mpitondra notaratra

Mba hanao ny soa fa tsy hangalatra



Hianareo milaza mivavaka

No antenaina hanandratra

Iaraha-mahalala i Gasikara

Efa lasa lalina ny lavaka

Partager tsy mamo

Commenter tsy mamo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ZANDRY jaen-claude