4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahazazana - Bodo

Toy ny vorona, niara-niriaria

Teny an-dohasaha izahay

Ny rivotra nifofo, ny orana nikija

Niaraha-nisedra avokoa

Nahita anao, aho ankehitriny

Dia toa adinoko ireny

Variana t@ ireo tambitamby

Nanovo fitia tsy ho antenaina



Fa na dia satriko aza

Ny hitafa aminao eto ihany

avelao aho hamonjy ’lay namako any ho any

Fa manembona aho izany

Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny

Hany ka mila ho tomany



Fony izahay, niara-nilalao

Na ny soa na ny ratsy, niarahana natao

Nisy ireo hafaliana sy ny ranomaso indraindray

fotoana maro teto anilanao, toa haravoana lalandava

nanafina alahelo, hakiviana

Nahatonga toa hanjombon-dava



Fa na dia ...

Partager fahazazana

Commenter fahazazana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite