4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Bodo

Iny zandriko iny akia mahita ahy nalahelo

Dia novinaniany akia ny tao am-poko tao

Tsy nisy nahalala akia ilay tsiambaratelo

Saingy fantatro izy fa tsy maintsy hahita anao



Tsy aritro mihitsy akia ny tsy hanafatra azy

Nobitsihiko izy hiteny hoe tiako be ianao

Nitsikiany fotsiny aho fa hoe mamazivazy

K’asa raha voarainao izao hafatro izao



Fa ahitako anao daholo izay lalovako

Ny rahona eny an-danitra aza maka ny endrikao

Tsy misy nanombinana ny fahatsiarovko

Mafy izany manina kanefa akory atao



Ny vorona misioka toa milaza anarana

Anarana toa fantatro, hay moa anaranao

Toa eo am-pela-tànako ny fahasambarana

Tsy misy ambara intsony akia f’izay no vaovao



Ilay mpitondra hafatra iny akia, mbola zaza ihany

Mety ho saro-kenatra izy na varian-dalao

Tsy azoko vinany akia izay mba teniny any

Tokana ny marina: tiako be ianao



Raha sanatria akia tsy miresaka izy

Tsy mahita lazaina, tsy mahita atao

Atao ahoana moa akia, f’izay rehefa ankizy

Rehefa mihaona d’izaho no hibitsika aminao

Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite