4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dinika mialoha ady - Ifanihy

Nidinika ela dia ela tokoa tao anaty sahany

I kaky Rabeza mpanao dabokandro sy ny akoholahany

Rabeza somary misotro labiera eo ambony barika

Ralavasanga mifitsaka tsara ao anaty sobika



Dia nanontany ary i kaky Rabeza ka nanao hoe :

Ahoana ihany ilay amin’ny alahady efa mba vonona ve…?

Tandremo kely manao ankinanga fa sao dia ho very

Raha resy eo dia ho afabaraka amin’ireto mpijery



Efa andro maro amam-bolana ialahy no nokolokoloiko

Nomena sakafo,nomem-panafody, nitokam-pisoko

Vola aman’alina no efa natokako mba ho am’izany

Tsy maintsy mandresy no fantatr’ialahy fa izay lany eo dia lany



Nikopaka kely ity akoholahy raha hamaly an’izany

Kaky Rabeza ô…patrô-ko, tsy foiko eto an-tany

Sanatriaviko mandrakizay ny hamitaka anao

Fa ho entiko masaka hatrany am-bilany ny dina natao



Mandria enao eo ivohon’ny vato raha ny amin’ny alahady

Fa ny anjomaran’ilay fandresena toa reko sahady

Ny famporisihina ihany ry kaky no ataovy matevina

Fa raha izaho indray no ho resy amin’io dia aleoko milevina



Ilay Volomboahirana indray hono mantsy no hanao amiko

Ny tokonaina dia misy tokoa fa tsy maintsy ho laniko

Izay iny avy ve no mba miseho ho mahavita azy

Akoho sahozanina, kely sakafo, akoho migarazy



Andraso kely fa raha vao mibika, mibika, mibika

Dia mody tsenaiko amin’ny endrika mirana, faly sariaka

Romotra be dia manao anjolofo, mamely, mamely

Avelao hikopaka sy hamely fantsy fa hieretako kely



Rehefa ho dila tokoa ihany mantsy ilay adin’iray

Ho vizaka mafy Ravolomboahirana, godro am’izay

Hitaky daholo ny odim-bomanga sy ny vary masaka

Fa vary masiso no fihinan’ireny fa tsy mba ny katsaka



Eo vao asehoko ilay fomba fiady tsy manan-tsahala

Dia ireo tenda kely sy ireo velon-tenany be manadala

Rehefa malemy ka mbola tsy vatran’ny tompony esorina

Dia vaomainka rakofako fantsy mba ho lasam-borona



Iny am’izay ary fa tafapetraka, tafatorovoka

Tsy fantatra intsony Ravolomboahirana fa hiosom-bovoka

Somary roahako mody amin’ny tsaingoka mahalakalana

Ateriko hatreny amin’ny tompony mihitsy raha tsy hitany ny làlana



Ho hitan’i kaky eo i Volomboahirana rehefa hitsaoka

Fa hifampisamborana sy hifamonjena any anaty vahoaka

Ho azon-tsika ny dera, ny laza sy ny voninahitra

Ka ny akohovavy rehetra vao mahita ahy dia milahatra



Izay ary no izy ry kaky Rabeza, sotroy ny labiera

Sao sasa-miandry ireo any am-pisoko, fa mandeha ny lera

F’ity teny fohy, dinidiniho sy tsakotsakoy

Rehefa mandresy aho, ny vadiko re mba soloy

Partager dinika mialoha ady

Commenter dinika mialoha ady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy