4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Irery madama - Ifanihy

           IRERY MADAMA

Irery madama, irery tao an-tanàna

Fa tsy ao ramose, fa lasa nadeha tournée

Toa sakodiavatra izy ny hatory, toa oriory

Fa ilay alina mangina, nefa ny vady tsy ao am-pandriana



Raha mbola variana, nisento sy nitomany

Dia nisy nandona, tany ivelany tany

Toa raiki-tahotra izy ny hamoha, nivadi-po

Ka indro lehilahy no tao, toa endrik’olona vaovao



      Dia nampandrosoiny, ilay nampivadika ny fony

      Ka tonga dia nipetrapetraka, natavitavy resaka

      Feno sangisangy, ny resak’ilay mpamangy

      Na resaka blague io na matoto, tafiditra tao avokoa



Dia nony avy eo, dia nangina aloha ry zareo

Nitsangana rangahy, nanolotra chocolat

Nitohy indray ny korana, nihanafana

Toa nihamaivana tokoa, ny alahelon-dramatoa



Fa tato afara, nivadika ny tantara

Nipaika ilay ora, hifanakalozan’ny rora

Saika hifamihina avy hatrany, dray re ry tany

Fa saingy toa nisalasala, tsy nety tampoka indray rakala



       Tsy nety ho tafita, loza fa nisy nahita

       Satria nivandravandra be ilay sarin-dramose, izay lasa nandeha tournéé

       Nanaja ny voady, ilay saika hanitsakitsa-bady

       F’ilay rangahy kosa niala maina, tsy raikitra ka nangaina.

Partager irery madama

Commenter irery madama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy