4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lanitra iray - Ifanihy



Aza mibedy na masiatsiaka ry fiangonan-drazana

Raha elaela aho no tsy hitahita sy tsy tazatazana

Angamba aho tsy meloka raha tsy ho tonga amin’ny alahady

Mba any an-kafa indray izahay sy Ra-Zezo no hifampitady



Fa ny ahy miovaova tsy misy andro raikitra ny andro sabata

Indraindray asabotsy, indraindray alahady, indraindray atalata

Tapitra ohaniko ny kaominio sy ny hena kisoa

Fa sady mpandray aho no vita confirmation ihany koa



Ka tsy hitako izay hifandirana o…

Izaho koa tsy te hisahirana

Hoe hifandresy lahatra mandava taona

Tompo ankiray no hifikirana

Lanitra iray no hidirana

Rehefa sitraky ny Avo dia tonga any foana e…(2)



(Mozika…)



Izaho indray aza mba tsahotsahoana fa mananihany

Hoe makorelim-pinoana aho hoe, tsy raharahako izany

Izay ahatonga antsika andanitra aloha imasoana

F’izaho indray aza mba resadresahana antonkom-pinoana



F’angaha moa ny Tompo propestà sa adivantista

Na hoe ny razambeny any Vatican fa ny sisa dia gisitra

Amiko aloha dia mitovy tsy misy hafa izy rehetra

F’izay sendra ahy moa d’efa hitsofohako ts’isy fepetra





Ka tsy hitako izay hifandirana o…

Izaho koa tsy te hisahirana

Hoe hifandresy lahatra mandava taona

Tompo ankiray no hifikirana

Lanitra iray no hidirana

Rehefa sitraky ny Avo dia tonga any foana e…(2)

Partager lanitra iray

Commenter lanitra iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy