4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lesabotsy - Ifanihy

Velona ny lakolosy

Manomboka ny lakilasy

Pejy voalohany ao amin’i "Lala sy Noro"

Rafitra namoaka boky

Ireo mpianatra isan-dabilio

Endrey ny fibadabadany

Mianatra ny abidy



Fa i Lesabotsy irery kosa

No toa osaosa

Raha namoaka ity boky efa tonta

Nolovainy

Tamin’ny zokiny lehibe indrindra

Aoka izany e

Raha ny henatra

Nanongo tena

Ka nanitrika tsimoramora

Ilay boky

Soa fa tsy nisy nahita



Nanomboka tamin’izay

Dia tsy tafatombina mihitsy

Nierikerika tetsy teroa ô

Nanao fampitahana

Tsikariny tamin’izay

Ireo namany vokolokolo

Tsaratsara sy ampy fitaovana

Ka lasa tian-dRamose



Vaka dia vaka teo ny sainy

Fa i Ramose

Izay nataony ho sakaiza tsara

Nanadino : tsy nahalala ny anarany akory

Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very

Hany hery dia nifindra lasy

Ka namonjy ny faran’ny dabilio



Re siosio tato aoriana

Ilesabotsy kely

Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly

Tsy nahatamana hono mantsy

Ka naleony nivangabao

Nilalao sy mirenireny ô

Afaka madiodio



Ry ray aman-dreny ô

Na tsy hihinana aza ianareo

Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa

Aza atao tsirambina re ny kilonga

Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga

Fa ny zaza dia zaza eny ihany

Mandefera raha te-hanana ny tsara

Partager lesabotsy

Commenter lesabotsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy