4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpikobaka - Ifanihy

Rehefa najifa ny sosoa tamin’ny tsatokaty

Ny ambina kitoza tsakoina ho siligaoma

Maika hanaraina e hikobaka hikarama

Maka ny angady mamotoka an-joron-trano



Maimbohon-dravina ity ny andro o o

Lasan-ko entona ny petsapetsa e e

Jereo ny aina ny akoralava eny an-taniketsa e

Manararaotra an’ilay maraina efa

Sao tody ihany ho’aho ilay mpamaky ny loha sola



Miara-mirona miosina mifanjevo

Toton-korosy fa maika anaty vakanga

Dia nisary adala e misangy mpanasa lamba

Na mpisaka-trondro mitanjaka tapaka eny



Ankijerijery tsy ankitondra mody e e

Ka tsy laitra akisoka mifanatsafa a a

Mifanabe tarehy ka izay mangotsoka re no azo a

Tsy izany kanjo f’izao re no

Ala hamohamo rehefa mikobaka eny



Sanatrian’ny vava tsy mifanamamo o o

Na hifanatsatso amin’ny tsipy rora e e

Lamban-tsinafy sy kibo voky tsy mifandrafy o o

Izany mantsy o no tonga amin’iny

Omeo tehina any ho takaloko ho tohan’aina

Omeo tehina any ho takaloko ho tohan’aina



(Roland)



(P) MARS 1989

Partager mpikobaka

Commenter mpikobaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy