4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vaky bantsilana - Ifanihy

(Vol. 2 Ikala dauphine)



O ry tiako aleo ho vaky bantsilana

Fa indriko ho’aho tahaka ny toa hanahirana

Fa sanatria ohatry ny boka hanambady

Maika ery, maika ny hanao mariazy



Herin’andro izao no niarahako taminao

Dia gaga aho fa terenao lava izao

Hoe kitakitano de ataovy ny raharaha,

Fa raha ts’izany dia hilaozanao aho

Fa hono ho’aho fa inona ity mahamaika

Kanefa lahy tsy hoe zazakely nitsaika.



Raha izaho aloha tsy mbola ampy fahamatorana

Ny tena moa zaza vao iray ranon’orana

Ny patalohako aza tsy zakako fa miborotsaka

Ny fandrianako aza indraindray mbola otsaka



Ary indry indray hita fa mbola ankizy

Fa miseho milay te ho lehibe izay tsy izy

Jereo anie tombany avy ety anoloany

Ntônaléé ! Azo ipasohana daomy

Raha misarim-boaly io dia hanalasala tokoa

Hoe tsy mpanambady io fa kominio voalohany



Raha tsy andrinao ny hivadiantsika roa

Izao dia izao, andao haka avansa aloha

o

Ndeh ahilalao, hilalao am zany tanana

de izaho sy iana hanao dada sy mama

Raha tsy tiandry dia andraso hoe vetivety

izao aky a, izao angamba no mety

Ny krismasy zao toa efa antomotra kely

nde izaho sy ianao hanao arbadenoely



Ka ianao maria, izaho kosa josefa

dia hifankatia tandritandremo ihany nefa

tandremo malala, tandremo indray sao midongy

hoe hisary adala ao anaty tranon’omby

fa tantara masina no ho lalaovintsika

tantara masina ka aoka tsy hisy tomika

ny fakampanahy tsy ho tafiditra ao velifvely

Fa sao la hiteraka jesosy kely

aok’itsy fa izaho aloha dia tsy namana

ary avia ty, avia hametrahako tanana



fa raha hoy indry hoe tafahoatra ny vavako

manambadia, manambadia re rahavako

tsofiko rano mba tsy hisaringoringo

tsy haita angano ilay mahasahy midibingo

dia mirary soa e, ndana nareo raha hitambatra

mandehana koa e, manaova tsikonona sambatra

mahaleova tena ry kala mpanao kopy soroka

ary maharena tokantranon-jaza maroroka

Partager vaky bantsilana

Commenter vaky bantsilana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy