4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba henoy - Imagine

Ny hoe fitia dia teny ihany

Ny fo no tompony

Eo am-bava dia tsianjery ihany

F’izy no handidy azy

Rehefa matahotra izy tsy hanantona

Dia tsy hay terena na inona homena



Dia mba henoy ny am-po

Misy lanjany tokoa

F’izay iriny no hofidiny sy hotiany

He mba henoy ny ao am-po

Aza maika ny hananjo

F’izay iriny no fidiny ary ho tiany

Ho to



Izay tiana iangarana

Omena tombony koa

Ka raha tsy hay ny mianjona

Dia hiara-hofongana koa

Rehefa voafitaka izy ka ho leo

Dia tsy hay terena na inona homena



Dia mba henoy ny am-po

Misy lanjany tokoa

F’izay iriny no hofidiny sy hotiany

He mba henoy ny ao am-po

Aza maika ny hananjo

F’izay iriny no fidiny ary ho tiany

Ho to

(in-2)

Partager mba henoy

Commenter mba henoy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine