4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho sy ianao - Imagine

Fa lalampiainana nizorako tokoa

Ny fahitako anao ka nampiova ny tontoloko

Tsy noterena sanatria fa safidy tsotra izao

Ny nandray ny tananao hitantana ny dia



     Dia nifankatia izaho sy ianao

     Tsy nahalala izay voarara

     Nitady mamy ka niara-dia tokoa

     Dia niredareda tao am-po

     Ilay fitia izay nampiray

     Tsy nahalala hoe hatraiza fa tena tia tokoa



Izay misy anao no hisy ahy koa,

Tsy haiko ny miaina tsy misy anao.



     Dia nifankatia izaho sy ianao

     Niara-dia tsy nifanary

     Na ho ratsy na ho tsara izay rehetra atao

     Dia niredaredareda tao am-po

     Ilay tena tia tsy nifandao

     F’efa nafoiko ho anao izao rehetra izao

(feon-kira)



Fa hasambarana niainako tokoa

Ny eo anilanao ka satry tsy hiala

Ireo toky izay nomena no hery vaovao

Hiarahana hatrizay porofo fa fo iray.



     Dia nifankatia izaho sy ianao

     Tsy nahalala izay voarara

     Nitady mamy ka niara-dia tokoa

     Dia niredareda tao am-po

     Ilay fitia izay nampiray

     Tsy nahalala hoe hatraiza fa tena tia tokoa



Izay misy anao no hisy ahy koa,

Tsy haiko ny miaina tsy misy anao.



     Dia nifankatia izaho sy ianao

     Niara-dia tsy nifanary

     Na ho ratsy na ho tsara izay rehetra atao

     Dia niredaredareda tao am-po

     Ilay tena tia tsy nifandao

     F’efa nafoiko ho anao izao rehetra izao

Partager izaho sy ianao

Commenter izaho sy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine