4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Naleonao - Imagine

Tadidinao ve

Irony fotoana niarahantsika

Mba tsapanao ve

Ny lanjan’ny fitiavantsika



Tsy sarotra taminao ve

Ny nanadino ireo dina sy toky

Nifanaovantsika roa

Indrindra fa ianao moa



Fa na nisy aza izany rehatra izany

Tsy nahasakana

Ny hadalanao nilalao fitia tany ho any

Nitady karazana ditra ho atao



Fa naleonao

Nanavao olon-kafa indray

Manantena aho

Fa ho tsara nohon’ny hatramin’izay

Fa naleonao

Nandao ilay tia anao

Tsy mba nanana ilay fiainana notadiavina



Ny ahy aloha ho vitako ihany

Ny fiainako sy ny ho aviko

Fa ny anao mampittomany

Tsy haiko izay hiafarany



Ny hany mahafaly ahy

Dia afa-doza aho ankehitriny

Tsy mba olona toy izany

No lasa anjarako



Fa soa ihany mantsy fa hita taty aloha

Ny tena toetranao

Fa tsy efa voafatotra ny amin-tsika roa

Vao tsy afa-miala ka voa



REFRAIN

Partager naleonao

Commenter naleonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine