4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko - Imagine

Na  izaho  na  ianao

Samy  mbola  tia  tokoa

Kanefa  voatery

Hisaraka  ho  roa

Tsy  sitrapo  velively

Na  ho  hambom -po



Na  izaho  na ianao

Samy  tsy  te-hifandao

Kanefa tsy ampy hery

Hanoherana izao

F’ireo olana hafa hiseho

No hanjaka  izao

      

   Satriko mba ho namanao

   Satriko ny eo anilanao

   satriko ny hifidy anao

   Nefa izao no fiainana



Tsy izaho tsy ianao

Fa ny manodidina

Nanao izay azo atao

Handrava izay vita

Nataony ho kilalao

Izay rehetra atao



Tsy izao tsy ianao

No leo koa na hoe lao

Samy mba nikolo

Kinanjo nikoro

F’ireo izay tsy voafidy

Mba ho anjarantsika



   satriko...






























Partager satriko

Commenter satriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine