4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jeso ampianaro aho - COEUR de l'ILE

Tompo ô! Ampianaro aho

mba tsy hamita-tena hilaza fa mpianatrao

Nefa anatiko ao

dia zara raha misy toerana omeko Anao

          Ampianaro aho ry Ray

          Mba hanetry tena toa Anao

          Fa ny "IZAHO" indraindray

          Io no asandratro fa tsy Ilay Anaranao



Tompo ô! Ampianaro aho

mba tsy hamita-tena hilaza fa mpianatrao

nefa ao an-tsaiko ao

tsy vonona hianatra eo an-tongotrao

         Ampianaro aho ry Ray

         tsy hijery afa-tsy Ianao

         O! sariho mba tsy ho sahy

         hitsaratsara sy hanenjika reo ondrinao



Tompo ô! Ampianaro aho

Mba ho fahazavan'izao tontolo izao

Ary manomboka izao

dia vonona aho hianatra reo toetranao


Partager jeso ampianaro aho

Commenter jeso ampianaro aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe COEUR de l'ILE