4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesoa fitiavana - FIHIRANA FANAMPINY

Efa trotraky ny adin-tsaina

vao mba mahatsiarao anao ry Tompo

menatra aho tsy sahy mitaraina

ry Jesoa Fitiavana



Kanjo tambitamby, safosafo

no nasetrinao ny ditrako

eny tsapako fa novidiana lafo

tamin’ ny Ranao ny tenako





Jesoa Malalako! tafio ny herinao

hahaizako mandresy ny fakam-panahy

he, tsinontsinona izao tontolo izao

fa fanimbana tena, saina sy fanahy



Ho reharehako ilay tanambokovoko

hihamina eo anilanao anie ny foko

fa eo anilanao tsy misy ny toloko

eo no mahatsara ahy, Jesoa

Partager jesoa fitiavana

Commenter jesoa fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FIHIRANA FANAMPINY