4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandao - Bodo

Nandao, teny tsotra iray

Fa tsy haiko ny hisara-toerana indray

Sy hanao veloma anao

Antsa toa malahelo indray

Hoventesiko mandra-pipodinao

Sy ny ora hahitako anao



Nandao, tsy haiko intsony atao

Ianao hanalavitra ahy

Fa raha toa ka azonao atao

Miangavy aho mitalaho

Aza ambaranao amiko

intsony f’izao atao :



            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao

            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao



Nandao, teny tsotra iray

Fa tsy haiko ny hisara-toerana indray

Sy hanao veloma anao

Antsa toa malahelo indray

Hoventesiko mandrapi-podinao

Sy ny ora hahitako anao



Nandao, tsy haiko intsony atao

Ianao hanalavitra ahy

Fa raha toa ka azonao atao

Miangavy aho mitalaho

Aza ambaranao amiko

intsony f’izao atao



            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao

            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao



Nandao, tsy haiko intsony atao

Ianao hanalavitra ahy

Raha toa ka azonao atao

Miangavy aho mitalaho

Aza ambaranao amiko

F’izao atao



            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao

            Aza ilaozanao aho (X3)

            Fa sarotra ny tsy anilanao



Fa raha toa tsy maintsy handeha ianao

Aza miherikerika akory

Mba tsy ho hitanao ilay ranomasoko mijohy





BODO








Partager nandao

Commenter nandao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite