4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tovovavy malagasy - Naly Rakotofiringa

Katsaho ange, tadiavo re

Ry zazavavy te ho gasigasy

Ilay fihetsikao sy ny fombanao

Ahitana fa ianao dia malagasy

Nentin-drazanao, tsy foroninao

Fa nanendrika ireo havanao taloha

Ianaranao, tsy ajanonao

Fa tohizanao sy mba hajainao koa.



Ny lambanao zavavy

Ny elonao ry Ikala

Mahagaga ireo mpiavy

Tsy manan-tsahala



Hivereno indray ny mahagasy anao

Toy ny fahizay fa adidinao

Mampiavaka sy mandravaka

Mba ho tazana ny nentin-drazana.

Partager tovovavy malagasy

Commenter tovovavy malagasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite