Fitia Agape : tsy omena mpandalo
Fitia Agape : tsy miandry takalo
Fitia Agape : no ambony indrindra Jeso
Fitia Agape !
Fitia Agape : manolotra foana
Fitia Agape : no mendrika indrindra
Fitia Agape : ny Fitiavanao Jeso
Fiv :
Fa na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho
Nefa tsy manana an’izany hoe : Fitia Agape
Dia tonga varahina sy kipantsona izay mikarantsana anie aho
Fitia Agape no tsara indrindra Jeso
Fitia Agape : tsy mitady ny azy
Fitia Agape : fa mora fanahy
Fitia Agape : tsy hanao izay tsy mahamendrika
Fitia Agape !
Fitia Agape : tsy mirehareha
Fitia Agape : mandefitra foana
Fitia Agape : mifaly amin’ny marina