4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Paradisa - 18,3

DAVY 1:



Nisy fotoana ny fanahako nivoaka nangina

Nitsaitsaika nivoakan’ny vatako, izaho tsy kopy fa variana

Liana nidasy fa voky nihinana gisa

Ny fanahako nandeha vacance tany amin’ny paradisa, isa

Taona tany nisy foana letsy ny ANJELY BUSTA

Anjelin’ny frista, za mivazo 2 pac no guesta

Satana tsy nahazo laissez-passez dia tsy faly dia nigafy

Vao nahita ahy dia nitsoaka dia nikozy hoe: io RADAVY

Nalefa ny devoly, nifrista, hifaninana tamiko

BELZABOBA no nivoaka avy any, adin’ny telo no laniko

Nivoaka koa nitetika ny hanenjika ahy koa ingahy Jodasy

Nangasihasy, nitsoaka koa ireo kopy hoe izaho gasy

Tsy mety resy ny devoly dia nitsoaka tsirairay nisesisesy

Nitetika ny hanimba nefa namboarinay sy Mosesy

Ny kozy nitsetaka ny ahy ny rima nilatsadatsaka

Nipetaka ny felaka nitsoaka ry zalahy fa nitsatsaka

Avy eo dia nivoaka boite ny DJ Claude Francois tsy quoi

Nitapitapy ny pokona fa ny vazo nandeha dia vazon’KVA

2 Pac tany tsy tian’ny olona izay no somary nampalahelo

Ao amin’ny vovon’i Petera misy posteran’ny 18,3



     Avy eo dia nisy niantso ny tenako dia mody fanina; mody zendana

     Henjana ilay nofy nofin’adala nofina vendrana

     Tsy quoi mety mbola hisy izany, iza no hahalala iza?

     Tsy maintsy misy fotoana hialana eto mankany am’PARADISA



SLAM JAH 2:



Paradisa mbola tsisy hoatran’ity no imatimatesana

Tany amin’ny avo mitantara ny fiainana talohan’fahafatesana

Atidoha mbola miresaka tsy arafesina nipolipolisina

Nadinina tamin’ny teny grika soa ihany aho fa nianatra lesona

Tsy mba nampiesona Yeah! yeah! avotra ihany ilaikely ity

Fomba malalaka niainga tamin’ny GENESISY tapitra tamin’APOKALIPSY

Nino an’i JESOA KRISTY avy hatrany dia tonga tany

Tany amin’Paradisa feno anjely sy vato kristaly

Tsy nijaly nampidaisiny medaly nanaja ny ota fady

Nanaraka ny torohevitry ny boky be 1240 pejy

Nisakra tsy nitady tany malemy hanorenam-pangady

Nivoady, io dia ao amin’ny asan’ny apostoly toko faha-18

Andininy faha-18, hatramin’ny 18, mety impolo amin’ny 18

Dia 18 im-polo, aisy M’NDAY FIGO!

Soa ihany aho fa nifamaly tamin’ny demonia sy ny Demoniaka

Fa ilay kely saina kosa no tafatsebaka nilako

Nameny PAROTSA tsy fantam-pihaviana dia tsy nanaja ny andro SABATA

Han! han! han! han! nanasa tanana i Pilato

Avy any nisy anjely dia nikotroka kotroka fito

Kotroka fito io hoa fa tsy afona fatana

Izay nasiana fitombo-kase avy hatrany dia tsy nosotana

PARADISA milay be ity, paradisam-boninahitra

Ry malala! miraisa hina, miombona alahelo, manetre tena,

Fa sao dia any amin’ny avo any vao mivembena



Ref:



TONGUE NAT 3:



Mamisavisa ny ho avy ny maro an’isa hizaha ilay paradisa

Ety an-tany toa mikorisa, ara-panahy ara-nofo feno disadisa

Tany mira afobe mampihidy tsisy vola toa mangididy

Te hanana nefa ny eo am-pelatanana no hamidy, aiza ny fanalahidy



Ny fiainana miridiridy - ny mpanenjika ao aoriana feno fandrika ny lalana

Mamadika ny namana aiza no misy hitsoahana toa tsy mety mahazo bahana

Vola no mamehy ny paradisa an-tany, misy faly tsisy mitomany

Taloha ambony izao ambany, ny antsim-pahafatesana miranirany

Fa ny ahy H2 no paradisako ry tsamy raha misy ngidiny reveko mamy

Be ny kimbihany mpanakina ny iraka voantso tsy mety lany

Domakon ny lalana migodogodona - DIOSEZY miara-mivondrona

Ara-barotra tsy hanjombona, solida ny ekipa, hanaraka? ndao hiombona

Dia peo ny akibbeko ( eo ary hoe ) dia araho ny alehako

Haren-tsaina amin’ny rima Dago no reharehako eny amin’ny taratasy no halehako

Tsy handany saina amin’ny kintana singam-bolo tsy hihintsana

Ny planetako tsy hihontsona H2 no fintana hanjonoko ilay vintana

Miaramila miara-mizotra miara-mirona ohatran’ny K’VAM’DONA

Tsy hampifona fa handona ny sain’ny matory hiondana moramora rima ny akora

H2 ilay paradisa tsy maty tsy mety levona

Na ho avy ary ny armagedona, tsaroana isan’andro mampievona

Paradisan’ny GENA harenan’ny mpiondana mpilaolao AY tsy mifamingana

Na mandroso na mihemotra ny dingana >

Tsy handringana fa hamel, misaotra sefo mankatel ho ela vel

Dia ario amin’izay ilay mofo dia rima atel, dia mba boridel



Ref:



Adaladala aho nefa ( samy manana ny paradisany )

Tany amin’ny paradisa ( H2 izaho an’isany )

Adaladala aho nefa ( lanitra izaho an’isany )

Tany amin’ny paradisa ( adala 3 no isany )




Partager paradisa

Commenter paradisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 18,3