4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rabodoniarivo - Jonny R'Afa

Teny amorom-parihy aho ê



No nioty sahondra hoandriko



Nitety ireo lohasaha aho ê



Nisambo-balala hoandriko



         Indriko Rabodoniarivo ô







Dia nihoatra an’i Iavoko telo aho ê



Ka niolika nianavaratra



Nosomparan’ny masoandro nihiratr’aho



Nefa noalokalofan’Ankaratra.



        Hiazo ny vohitr’Iarivo aho ê







Domoina nateraky ny ala aho ê



Mivahiny an-tanin-tsorohitr’ô



Mihaody an-taranon’andriana



Tonga toa manani-bohitra.



       Haody izay olona aty ô







Zafin-dRalaifenohoby aho ê



Tera-dRavaomahaliana



Ilay kely mitafy ny mena aho ê



Ilay manitra an-tranon-Andriana.



      Maniry an-dRabodoniarivo aho ê







Ombalahy iray vala mivositra re



Notsinindriko vola arivo



Vao ampy natao vodiondry



Nangalako an-dRabodoniarivo.



      Indriko Rabodoniarivo ô

Partager rabodoniarivo

Commenter rabodoniarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jonny R'Afa