4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Retsiana - Jonny R'Afa

Ireo faniriako retsiana

Indro fonosiko hira

Ho ataonareo fahatsiarovana

Fa ny ora hitsaharako efa ho diva



Raha tany ianao malahelo

Ireo tsikiko omaly tsarovy

Raha tany ianao manirery

Ireo hira fivazoko anao no kaloy



Raha sendra diavalona aky

Ny andronareo aty

Alefaso ny ankizy Retsiana

Hiara-hifaly hanao faribolana



Raha tany ka misy mahory

Andraso ho tonga ny ariva

Tongava eny am-pasako ianao

Fa ny andronao ratsy hoavadiko ziva



Dia mahereza Retsiana

Fa izao tsy ho faty fa handry

Na hihintsana aza ny nofoko

Dia ianao no malalako hatrany hatrany

Partager retsiana

Commenter retsiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jonny R'Afa