4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rafahendrena - Bodo

Ndeha sombinaiko katsaho ny harena

Tsofiko rano ianao mba hiavo-tena

Hanova ny fianarana any am-pita

Katsaho ny diplôma tsy hita isa

Tsarovy anefa fa ny ana-dRay sy Reny

Ny ahasoa anao no jereny Ka sao..





Lasa nandeha Rafahendrena

Fa norohain-dRafahalalana

Tsy navelany ny tena e!

Fa azony re ny fanjakana

Fo vato sisô

Fo vato mitanisa ny adalany



Fa inona no antony

Ny Taolo tsy mankany an-tsekoly

Nandrato fianarana ambony

Kanefa manam-pahendrena

Tsy voavidim-bola, tsy takatr’harena

Tandremo dia tandremo ireny

Fa lovan’ny tena



Fa misy sombinaiko ireo tsy mba misaina

Fa rehefa lasa ambony dia izy hono no hajaina e!

Kanefa dia tanora maintso volo

Milaza ho mpitondra ny tontolo

Adino teo anefa ny ana-dRay sy Reny

Ny hahasoa anao no jereny Satria...






Partager rafahendrena

Commenter rafahendrena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite