4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saingy - Solo

Mbola misy alahelo

Tsy hay ambara

Tsy hay lazaina

Miafina ao an-tratrako ao

Ratram-po manelohelo

Toa kamboty vao maraina

Ka mijaly mitalaho



Mbola misy koa fery

Nofihiniko tsy nahy

Isan’andro isan’ndro

Adin-tsaiko, adin-tsaiko samirery

Mila handrebireby ahy

Tsy eo intsony ilay masoandro



Saingy mbola misy foana

Hambompo mahay mitraka

Velona ao anatiko ao

Tononkalon’ny fitia

Nofenoiko tsikitsiky

Tiako atolotro ho anao



Mbola misy koa fery

Nofihiniko tsy nahy

Isan’andro isan’ndro

Adin-tsaiko, adin-tsaiko samirery

Mila handrebireby ahy

Tsy eo intsony ilay masoandro



Saingy...



Mbola misy alahelo

Tsy hay ambara

Tsy hay lazaina

Miafina ao an-tratrako ao

Ratram-po manelohelo

Toa kamboty vao maraina

Ka mijaly mitalaho

Ka mijaly mitalaho...

Partager saingy

Commenter saingy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite