Tsy hainay ny hangina ka tsy hankalaza ny Avo
Nameno fitahiana ka tsy mba namela ho lavo
Tsy hainay hadinoina ilay fara-fitiavanao Ray ô,
Fa maty novonoina ny Zanakao hamonjy anay
Fiv:
Ka dera ry Ray sy saotra no atolotray ho Anao
Raiso (fo sy fanahy) fo faly loatra
No entinay midera Anao
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran’ ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo Malala
Ny fankasitrahana Anao ry Ray