4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vadin'ingahy pôlisy - Ifanihy

Raha no foatran’I vadin’ingahy pôlisy angamba tsisy mampiavaka azy

@ foatra rehetra² misy ka hoe hananany avantazy

Fa  nisy anefa lehilahy , lehilahy tsotra sy mahitsy

Nangetaheta mafy ny ahita ny foatran’ny vadin'ingahy pôlisy



Antitra aho ity, hoy izy nahatsiaroaro talohan’ny fahalebiazako

Karazam-poatra maromaro no efa hitako sy tazako

Tao ny an’ny vadina tantsaha sy ny vadin'ny receveur  an’ny bus

Mba manao ahoana kosa lahy izany foatran’ny vadin'ingahy pôlisy?



I Dada efa nahita ihany ny foatran’ny vadina-zandarma

I Zoky koa torak’izany ny an’ny vadin’ny Inspecteur tena marina

Ny zanako aza ny andefomandrin’ilay rangahy ao @ justice

Izaho anefa sasa-niandry ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy



Raha mbola nitaraina oa! Raha nitaraina teo Razoky

Dia nisy vadina-mpra nanantona azy, nanome toky

Hoe ho faranako eto androany ny hirifirinao tsy hisy

Ho asehoko anao avy hatrany ny foatrana-vadina pôlisy



Aleloia! Tsy ho nofy intsony, hoy Rangahy be nidradradradra

Hisaorana anie ny ao ambony, tanteraka ilay revin-gadra

Dia niaigany tsisy handraso²  ialay akanjo lava sy manify

Fa maika ny ahita mason ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy



Indrisy anefa, indrisy anefa fa toa nampitroatra loatra

Ilay notsiriritiny ho efa ho 50 taona mihoatra

Tambonin’ny kibon’ilay sipa teo no maty tampoka izy

Dia tsy nahita ary tsy ahita ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy












Partager vadin'ingahy pôlisy

Commenter vadin'ingahy pôlisy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy