4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vahaolana jeso - COEUR de l'ILE

1.   Na inona miseho

      sy zava-tsarotra manjo

      tomany sy toreo

      'zay mety hankarary fo

      Ndeha banjino sy jereo

      fa indro misy zava-tsoa

      Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO



2.   Izay hita sy re

      dia zary mampivadi-po

      na aiza no aleha

      toa lala-maizina avokoa

      Nefa izao dia mijere

      fa indro misy zava-tsoa

      Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO



3.   Ny ho avintsika ety

      tsy fantatra izay mbola hiseho

      Tohizana ny dia

      FAHATOKIANA no aseho

      Ny FINOANA no atanjaho

      ny FANDRESENA efa azonao

      Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO

Partager vahaolana jeso

Commenter vahaolana jeso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe COEUR de l'ILE