4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka ho an'i neny - Naly RAKOTOFIRINGA

Hotahiana anie i Neny
’Zay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana

Dia i Neny izay nanoro
Sy nampianatra nivavaka
No angatahiko amin’ny Ray
Ny fitahiana tena miavaka

Refrain :
Ny tànanao nanambitamby
Lamosinao nibaby
Ny tratranao fiondànana
Nahitako fiadanana
Ho tahiana anie ry Neny,
Ireny rehetra rehetra ireny

Hivavahako mihitsy
Ny any ambony mba hitahy
’Reo molotrao ’zay efa zatra mitsiky
Sy manoroka ahy

Mbola hotahiana koa
’Reo masonao manganohano
Rehefa misy alahelo
Dia toy ny dobo feno rano

Refrain.....
Angatahiko mihitsy
Mba ho re hatrany an-danitra any
Ny ahavelomanao ry Neny
Mba hateza sy haharitra

Satria raha eo ianao, fihantana fitosiana
Fa ny kamboty mbola kely moa
no tena fara-fahoriana.

Partager vavaka ho an'i neny

Commenter vavaka ho an'i neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly RAKOTOFIRINGA

Suite