4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpitari-dàlana tsara - Voahirana

Tsara fifidy aho raha nahazo anao

Hiara-dàlana amiko

Mahazo hery aho raha vao eo ianao

Ho andry mafy tokiko

Rehefa misy tafiotra

Ianao no mpiaro ahy

Tsy foinao aho sanatria

Fa sarobidy ao am-ponao

Ny aizim-pito raha eo an-tratranao

Tsy atahorako akory

Manam-pinoana aho fa tia ahy ianao

Tsy mihorohoro , tony fo

Mandry ivohon’ny vato aho

Satria tia ahy ianao

Ka na dia lasan-davitra aza aho

Tsy very fa ao am-ponao



Ianao no mahay miahy sy mikarakara

Ary satria tia , mpitari-dàlana tsara

Koa inona indray no iriko mihoatra ilay

Fitia tena avy ao am-ponao ?



Ny nofiko ela dia ny ho tinao

Kanjo tanteraka tokoa

Ny hasambarako hatramin’izao :

Ianao eto anilako

Iriko hitohy hatrany izao fifaliantsika izao

Ka dia tolory tsy mety lany

Fitia tena avy am-ponao

Partager mpitari-dàlana tsara

Commenter mpitari-dàlana tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahirana