4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko - Voahirana

Sarobidy loatra Jesôsy ô !

Ny Fitiavanao ahy,

Niaretanao ny mafy ka nanaiky halatsa-dra

Nanavotanao ity aiko,

namonjenao ny Fanahy Jesôsy ô !

Faly aho, tena afaka



Satriko tena satriko, tsy hisaraka Aminao,

Mandrakizay Jesôsy ô !

Ka ny voady masina ataoko,

Averiko eto indray : ho tia sy hanaja Anao

Mandrakizay



Tsy voasanda vola sy harena ny Fitiavanao ahy

Fa sarobidy ny Famonjena sy ny nanavotanao ahy,

Androany aho Jesôsy ô !

Tena babonao tokoa e !

Eny tiako Ianao satria efa tia ahy taloha



Satriko, tena satriko ny foko sy ny Fonao

Hitempo tena iray Jesôsy ô !

Satriko, tena satriko hiombona Aminao Mandrakizay

Partager satriko

Commenter satriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahirana