4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ts miova - Zay

Raha handeha any ianao handeha lavitra any
Mba hikaroka ireo mahasoa
Any mantsy no misy ireo zay tadiavina
Hanatsaratsarana ny fiainana

Tsy hiaona indray izaho sy ianao
mandritry ny fotoana ela be
Nefa aza manahy fa raha ilay fitiavana
Efa voatokana ho anao sy ho ahy

Tsy miova e,tsy mifindra
Ilay fitiavana fa lalina ao am-po
Tsy miova e,tsy mifindra
F'efa voasedra ka tena ho doria

Mety ho maro tokoa reo fankam-panahy
Mety haningotra eny andalana
Satria rery tokoa ka mahasarika
Reo mpananiany sy mpisompatra

Lavitry ny maso tokoa moa hoe lavitry ny fo
Tsy ho ekeko ary hodisoiko
Ho porofoiko hatrany fa ianao,ianao ihany
Ianao rery no tokako eto an-tany


Partager ts miova

Commenter ts miova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite