4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'ty toetranao - 'zay

‘Reo fombafomba ratsy hatrizay izay nahazatra anao,
‘lay tiatiakely nahatamàna anao, nataonao fanao.
‘Lay fahazaran-dratsy tia mandray, etsy sy eroa,
fitiavan-tena diso tafahoatra, mibàhana ao an-doha.

Mahamenatra ny ataonao, ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
ka ajanony izao dia izao !

Izay nafafy ihany no hojinjaina aoriandriana ao.
Ny tody anie tsy misy fa ny atao no hivaly aminao.
Na mety aza ny ataonao izao, saino ihany ny hoavy.
Ny androany anie tsy ho rahampitso, ka tandremo ihany.

Tsy efa ampy ve ny hatrizay,
no manao foana ianao, tsy mety fay ?
Izay tratra anie ka hahamay.
Ka mba miova !

Mahamenatra ny ataonao,
ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
ka ajanony izao dia izao !!

Partager 'ty toetranao

Commenter 'ty toetranao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite