4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandrandra anao - AFAFI Taninanandrano

Raha toa aho ka nisaina  ny andro lasako Jeso

tsaroako fa nijaly aho fony tsy nahalala anao

he mitamberimberina ao an-tsaiko lava izao

ny ota sy ny ratsy rehetra izay natao



ref

Onena ahy ianao ka nandray ny tanako

namerina tamiko indray ny fiadanako

ka ny fijaliako hatrizya tsy hotsaroako

fa efa miandrandra anao Jeso ny foko



Endrey izany izaho nanara-tsitrapo

tsy nahatsapa akory fa hay ianao mahita ahy

ka dia nihevitra aho fa olon-tsambatra tokoa

ny nofo hay no faly fa ory ny fanahy



Indrisy meloka aho tsy mendrika anao

kanefa avelao hanonona ny anaranao

fa sao aho mba mahazo famonjena avy aminao

ekeo aho Tompo o, hanaradia anao

Partager miandrandra anao

Commenter miandrandra anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AFAFI Taninanandrano