4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokim-panompoana - AMPIFITIA

TOKIM-PANOMPOANA



1- Raiko ô, izaho misaotra Anao

Fa mba nofidianao ho  mpiasanao

Ka na dia tsy mendrika aza aho

Nomenao anjara hanao ny asanao.



Z’inona aho Andriamanitro ô

Z’inona moa aho no mba tinendrinao

Mpanota aho tsy mendrika tokoa

Nefa indro fa toloranao ny soa



Refrain : Ka ambarako eto izao

     Ny fahafoizan-tenako hanompo Anao Raiko

Tsy handrarak’ilo mby an-doha

Fa tena hanao ny asanao tokoa.



Na ny saiko, na ny aiko,

Ny androko, ny hareko, ny fanahiko Jesoa.

Foiko  ary hoentiko manao

Sy manefa izao fanompoako izao.



2- Jesoa ô ekeko eto izao

Ny ho fitaovana eo am-pelantananao

Hitoriana ny famonjenao

Hanitarana ny ambaindainao



Hofadiako izany hoe hanao

Zava-mifanohitra amin’ny baikonao

Na hitondra ny fiangonanao

Hanao ny fanaon’izao tontolo izao



3- Ray Tsitoha ô izay iriko

Dia ny fanahinao hambomba ahy

Ka na asa atao na fivoriana

Tsy haroaroako faharatsiana



Jesoa ô mba tovy amiko fa

Ianao tsy hahafoy na hahasaraka ahy

Raha Ianao no miaraka amiko tokoa

Tsy misy asa tsara izay tsy efako.





AMPIFITIA

FJKM Isotry Fitiavana

(Antananarivo – Madagasikara)



Fanokanana Diakona 2007

Tafo FPMA Ivry Famonjena

(FRANCE)

Partager tokim-panompoana

Commenter tokim-panompoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPIFITIA