4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa jeso fa eo ianao ... - AMPIFITIA

   He manonja e manonja ô,ny onjam-piainana

   Ka mila ho rendrika ny sambokeliko

   Izay jereko haizim-pito, takon-dava ny ampitso

   Iza re ? ô iza? no hamonjy ahy

          Soa Jesô fa eo Ianao Mpamonjiko, Mpanavotro

          Atsotrako Jesô ny tanako,avoty aho raha sitrakao

          Anaro re Jesô ny rivotra hangina tsy handrivotra

          Teneno  Jesô ny haizim-be hisava io raha vao mandre

He mafaitra ka tsy laitra izany fahoriako

Ka mila hankarary sy mila hampamoy fo

Fitsapana mazana tokoa ady mankarary an-doha

Iza re? ô iza ? no hamonjy ahy

          Soa Jesô fa eo Ianao nandresy izao tontolo izao

          Sokafako Jesô hidiranao ny foko ka dia hanjakao

          Sao mantsy ka ny otako no antok'izao sedra izao

          Hifonako Jesô ka avelao raha ankaso kosa dia ravao

He manonja ka tsy tondra itony zioga entiko

Kamila hanapaka ny fara hatoko

Fa ny tafik'i satana tsy misy fiafarana

Iza re?ô iza? no hamonjy ahy

         Soa Jesô fa eo ianao izay mpandrava sarotra

         Ka azo antoka fa tsy mandao Mpiandry tsara Matotra

         Ka ny manjo an-koditro ny tafik'ilay rafiko

         Hisava Jesô ho dila ireny raha vao Ianao no miteny


Partager soa jeso fa eo ianao ...

Commenter soa jeso fa eo ianao ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPIFITIA