4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lalam-baovao - AMPIFITIA

Andriamanitra ô ilaiko
Mbola hitantana sy hibaiko
Ny androm-piainako Ianao

Ka hifaly ny ati-foko
Fa voakosoka ny hadisoako
Nohon’ny herim-pitiavanao

‘Zay rehetra fahotako
Lalan-diso sy ny adalàko
Indro fa nosakananao

Ka endrey…fa lalam-baovao
Nomenao ahy mpanomponao
Ka misaotra e!


Ref : Manao rodobe ny fakam-panahy
‘Zay mandambolambo misarika ahy
Aketsy sy akeroa. Tsia!

Misakambikambina ilay satana
Ka mandrotsirotsy manatamana
Kanefa tsy nahavoa. O! O! O!

Satria ny herinao Ray Tsitoha
No he nampitraka sy nampifoha
Ka ataoko rehereha! Rehareha!

Ka ny asanao ry Fanahy
No efa namonjy, nanavotra ahy
Ka misaotra e!

Partager lalam-baovao

Commenter lalam-baovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPIFITIA